Tamin’ny 10 desambra, dia nitsidika ny Oniversite momba ny fampianarana teny vahiny any Beijing (BFSU) Atoa Mikko Kinnunen, Masoivohon’i Finlandy miasa sy monina eto Sina. Atoa Jia Wenjian, Filohan’ny Oniversite sady Sekretera lefitry ny Komitin’ny Antoko any BFSU no nandray azy sy ny delegasiona niaraka taminy. Niresaka momba ny fanitarana ny sehatry ny fiaraha-miasa, ny fampiroboroboana ny fifanakalozana ...
Tamin’ny 5 desambra, dia niara-nikarakara ny Fikaonandoha momba ny fampandrosoana ny fanabeazana, andininy faharoa, tao Chengdu, Faritanin’i Sichuan ny Minisiteran’ny Fanabeazana Sinoa sy ny Minisiteran'ny Fampianarana Ambony, ny Fikarohana ary ny Fanavaozana frantsay. Nahazo fanasana handray anjara Atoa Li Hai, Sekreteran’ny Komitin’ny Antoko Kaominista Sinoa any BFSU, ary nanao lahateny manokana ...
Tamin’ny 3 desambra, dia nitsidika ny Oniversite momba ny fampianarana teny vahiny any Beijing (BFSU) Atoa Gayton McKenzie, Minisitry ny Fanatanjahantena, ny Zavakanto ary ny Kolontsaina Afrikana Tatsimo, sy ny delegasiona niaraka taminy. Atoa Jia Wenjian, Sekretera lefitry ny Komitin’ny Antoko sady filohan’ny Oniversite, sy Atoa Liu Xinlu, mpikambana maharitra ao amin’ny Komitin’ny Antoko sady ...
Tamin’ny 21 novambra, dia natao tao Guangzhou ny lanonam-panokafana ny Fihaonambe ho an’ny Filohan’ny Oniversite Aziatika (AUPF). Ny lohahevitry ny fihaonambe dia ny hoe: “Teknolojia vaovao sy Fiaraha-miasa eo amin’ny sehatra samihafa: famoronana lalana vaovao ho an’ny fitomboana maharitra sy tafiditra ao amin’ny fampianarana ambony aziatika”. Nahazo fanasana nanatrika ity fihaonambe ity Atoa ...
Tamin’ny 19 novambra lasa teo, dia nanambara ny fanapahan-kevitra momba ny fanendrena sy ny fanesorana ny Sekreteran’ny Antoko Kaominista Sinoa ao amin’ny Oniversite momba ny Fampianarana teny vahiny any Beijing (BFSU) ny Vondrona Mpitarika Antoko Kaominista Sinoa ao amin’ny Minisiteran’ny Fanabeazana ao Sina. Voatendry ho Sekreteran’ny Antoko Kaominista Sinoa ao amin’ny BFSU Atoa Li Hai, izay ...
Tamin’ny 13 novambra 2025, dia nitsidika ny Oniversite momba ny fampianarana teny vahiny any Beijing (BFSU) ny Mpanjakavavin’i Espaina, Rtoa Letizia Ortiz Rocasolano. Nanatrika ity hetsika ity Atoa Ren Youqun, mpikambana ao amin’ny Vondrona Mpitarika Antoko Kaominista Sinoa ao amin’ny Minisiteran’ny Fanabeazana ao Sina no sady minisitra lefitry ny Fanabeazana, Atoa Yang Dan, Talen’ny Biraon’...
Tamin’ny 16 oktobra, dia natao tao amin’ny BFSU ny “Fifanakalozan-kevitra eo amin’ny Oniversite momba ny Fampiharana ny Fifanarahana ho an’ny hoavy” izay nokarakarain’ny Oniversiten’ny Firenena Mikambana, ny Rafitry ny Firenena Mikambana aty Sina, ny Oniversite momba ny Fampianarana teny vahiny eto Beijing (BFSU), ary ny Oniversiten’i Cape Town.Nanatrika ny lanonam-panokafana ary nanao lahateny ...
Tamin’ny 24 oktobra, natao tao Hangzhou ny Fikaonandoha faha-5 ho an’ny Filohan’ireo Oniveriste ao anatin’ny Fikambanan’ny Oniversite momba ny Fampianarana teny vahiny manerantany (GAFSU). Fikaonandoha izay nokarakarain’ny Oniversite momba ny Fampianarana teny vahiny eto Beijing (BFSU) sy ny Sekoly momba ny Fampianarana teny vahiny ao Zhejiang (ZISU).Nanatrika ity fikaonandoha ity Atoa Liu Limin,...
Tamin’ny 15 oktobra 2025, nitsidika ny Oniversite momba ny fampianarana teny vahiny any Beijing ny Filoha lefitr’i Bolgaria, Rtoa Iliana Yotova. Nandray an’i Yotova sy ny delegasiona niaraka taminy ny Filohan’ny Oniversite Profesora Jia Wenjian.Ny Filohan’ny Oniversite Jia Wenjian dia nanazava ireo asa nataon’ny BFSU momba ny fifanakalozana iraisam-pirenena sy ny fampivoarana talenta ary ny zava-...