
Tamin’ny 4 febroary 2026, nitsidika ny Oniversite momba ny fampianarana teny vahiny any Beijing (BFSU) ny filoha Orogoaiana Atoa Armando Orsi. Nanatrika ity hetsika ity Atoa Li Hai, Sekreteran’ny Komitin’ny Antoko Kaominista Sinoa an’ny BFSU, Atoa Jia Wenjian, Sekretera lefitry ny Komitin’ny Antoko sady filohan’ny Oniversite, Atoa Zhao Gang, mpikambana maharitra ao amin’ny Komitin’ny Antoko sady filoha lefitry ny oniversite, Atoa Huang Yazhong, masoivohon’i Sina any Orogoay, Atoa Zhang Wenwei, mpanolotsaina ao amin’ny Departemantan’ny Raharaham-bahiny any Amerika Latina sy Karaiba ao amin’ny Ministeran’ny Raharaham-bahiny sinoa, ary Atoa Zhang Jin, tale lefitry ny Biraon’ny Fiaraha-miasa sy Fifanakalozana Iraisam-pirenena ao amin’ny Ministeran’ny Fanabeazana.
Tamin’ny 9 ora maraina, dia tonga nijery ny “Hazo” mariky ny “Fisakaizana Sino-Orogoaiana”, izay nambolen’i Atoa Mujica, Filoha Orogoaiana teo aloha, tamin’ny taona 2013, izy ireo. Nanampy ny tany nanodidina ny hazo Atoa Orsi niaraka tamin’i Atoa Li Hai sy Atoa Jia Wenjian, ary nitokana ny takelaka vaovao ho an’ny “Hazo Fisakaizana Sino-Orogoaiana”. Nanolotra taratasy fanamarinana fikojakojana azy Atoa Li Hai.
Taorian’izay, nitsidika ny Efitrano “Wenhua” Atoa Orsi sy ny delegasiona notarihiny, ary nihaona sy niresaka tamin’ireo mpampianatra sy mpianatra avy amin’ny oniversite sy lisea manolotra fampianarana teny Espaniola miisa enina ambin’ny folo ao Beijing. Atoa Jia Wenjian no nitarika ity fivoriana ity.
Nanao lahateny amin’ny anaran’ny Oniversite momba ny fampianarana teny vahiny any Beijing Atoa Li Hai, nanolotra fiarahabana tonga soa an’i Atoa Orsi tonga amin’izao fitsidihany ny oniversite izao. Nilaza izy fa miara-miasa akaiky amin’i Orogoay ny BFSU ary manantena ny hampitombo bebe kokoa ny fifanakalozana sy ny fiaraha-miasa amin’ireo oniversite sy andrim-pampianarana Orogoaiana mba hampiofanana ireo tanora mahay ny fiteny sy ny kolontsainan’ny firenena roa tonta, ary mba hampiroboroboana ny fisakaizana Sino-Orogoaiana.
Nanao lahateny ihany koa Atoa filoha Orsi. Nanamafy izy fa tena ilaina ny fifampitokisana mba hahazoana fifandraisana tsara sy marin-toerana eo amin’ny firenena roa tonta, ka ny fifanakalozana akademika dia mitana anjara toerana lehibe amin’izany. Ny fifanakalozana akademika eo amin’i Sina sy Orogoay, ary koa eo amin’i Sina sy Amerika Latina, dia maneho ny ambaratonga ambony indrindra amin’ny fiaraha-miasa ary mamorona fototra ho an’ny fanamafisana ny fifandraisana eo amin’ny olona avy amin’ny firenena roa tonta. Manantena izy fa ny roa tonta dia afaka mianatra avy amin’ny zavatra niainan’ny tsirairay, mandresy ny fahasamihafan’ny kolontsaina, ary miara-miasa ho amin’ny fandriampahalemana sy ny fampandrosoana amin’ny alàlan’ny fiaraha-miasa sy ny fifanakalozan-kevitra.
Taorian’ny lahateniny dia niresaka sy nifanakalo tamin’ireo mpampianatra sy mpianatra nanatrika teo Atoa Orsi. Nisolo tena ny mpampianatra sy ny mpianatra ao amin’ny BFSU, atoa Li Hai, nanolotra sary hosodoko maneho ny Hazon’ny Fisakaizana eo amin’i Sina sy i Orogoay ho an’ny Filoha Orsi. Sary izay noforonin’ny mpianatra avy amin’ny Fakiolten’ny teny espaniola sy portogey ao amin’ny BFSU.
Talohan’ny nanombohan’ny fivoriana dia nitsidika ny fampirantiana izay nampiseho ny asa fifanakalozana sy pedagogika nataon’ny sampam-pianarana teny espaniola ao amin’ny BFSU Atoa Orsi ary nanoratra teny firarian-tsoa. Nanao hira ihany koa ny mpianatra iray avy amin’ny sampam-pianaranateny espaniola, ary nahazo tehaka mirefodrefotra avy amin’ny mpijery.
Nanatrika ity fitsidhana ity ihany koa ireo mpikambana hafa ao amin’ny delegasiona orogoaiana, anisan’izany Atoa Lubetekin, Minisitry ny Raharaham-bahiny Orogoaiana, Atoa Cabral, Masoivohon’i Orogoay eto Sina, Atoa Fratti, Minisitry ny Fiompiana, ny Fambolena ary ny Jono, ary Atoa Cardona, Minisitry ny Indostria, ny Angovo ary ny Harena an-kibon’ny Tany.
Rohy mankany amin’ny tatitra amin’ny teny anglisy:https://en.bfsu.edu.cn/2026/02/05/c_188624.htm