Nampiasa ny loharano avy amin'ireo mpianatra vahiny ny Oniversite momba ny Fampianarana Teny Vahiny ao Beijing (BFSU) mba hamokarana andian-horonantsary fohy mampiseho ny zava-bitan'i Sina amin'ny fampandrosoana amin'izao vanim-potoana vaovao izao. Ireo horonantsary izay notontosain'ireo mpianatra vahiny avy amin'ny firenena samihafa ireo, dia mirakitra lohahevitra momba ny fanavaozana sinoa izay mahaliana ny mpijery vahiny, toy ny fandoavam-bola nomerika, ny fikarakarana sakafo an’ilon-tsaina, ny fanavaozana ny tontolo ambanivohitra, ny fifanakalozana ara-kolontsaina, ny fanaterana sakafo novidina an-tambazotra, ary ny fitaovam-pivamoivoizana iombonana toy ny “bisikileta iombonana”. Misy amin’ny fiteny maro ireo horonantsary ireo, anisan'izany ny teny sinoa, anglisy, rosiana, frantsay, japoney, ary koreana.
I
II
III
IV
V
VI