Tamin’ny 13 novambra 2025, dia nitsidika ny Oniversite momba ny fampianarana teny vahiny any Beijing (BFSU) ny Mpanjakavavin’i Espaina, Rtoa Letizia Ortiz Rocasolano. Nanatrika ity hetsika ity Atoa Ren Youqun, mpikambana ao amin’ny Vondrona Mpitarika Antoko Kaominista Sinoa ao amin’ny Minisiteran’ny Fanabeazana ao Sina no sady minisitra lefitry ny Fanabeazana, Atoa Yang Dan, Talen’ny Biraon’ny Fiaraha-miasa sy Fifanakalozana Iraisam-pirenena ao amin’ny Ministeran’ny Fanabeazana, Atoa Wang Dinghua, sekreteran’ny Komitin’ny Antoko Kaominista Sinoa any BFSU, Atoa Jia Wenjian, sekretera lefitry ny Komitin’ny Antoko sady filohan’ny Oniversite, ary Atoa Zhao Gang, mpikambana maharitra ao amin’ny Komitin’ny Antoko sady filoha lefitry ny Oniversite. Nandray anjara tamin’ny hetsika ireo mpampianatra sy mpianatra maherin’ny 300 avy amin’ny Fakiolten’ny teny espaniola sy portogey, ny Fakiolten’ny fifandraisana iraisam-pirenena sy ny diplomasia, ny Fakiolte momba ny fanabeazana ao amin’ny BFSU, ary ireo izay avy any amin’ny oniversite hafa ao Beijing.

Teo am-piandohan’ny hetsika, dia nanatrika ny lanonam-panokafana takelaka fahatsiarovana ny Mpanjakavavy Rtoa Letizia sy Atoa Ren Youqun, Atoa Yang Dan, Atoa Wang Dinghua, Atoa Jia Wenjian, ary ireo sisa hafa. Naneho fankasitrahana sy fanajana ireo mpampianatra teny espaniola izay nitarika ny fampianarana teny espaniola tao amin’ny BFSU sy ireo oniversite hafa tamin’ny taona 1950.
Atoa Chang Fuliang, Sojaben’ny Fakiolten’ny teny espaniola sy portogey ao amin’ny BFSU, dia nampahafantatra ny tantaran’ny fananganana sy ny fandrosoan’ny fampianarana sy fikarohana momba ny teny espaniola ary . I Ma Keying, izay mpianatra teny espaniola, sy i Alberto, izay mpianatra avy amin’ny Fakiolten’ny fifandraisana iraisam-pirenena sy ny diplomasia dia nifampiresaka tamin’ny teny espaniola sy teny sinoa, ka nampiseho ny aingam-panahy sy ny fifandraisana misy eo amin’ireo tanora espaniola sy sinoa.
Nanadihady tamim-pahalianana momba ny zava-bita teo amin’ny fampianarana sy fikahorana teny espaniola tao amin’ny BFSU Rtoa Letizia, ary nifanakalo hevitra tamim-pirahalahiana tamin’ireo mpampianatra sy mpianatra nanatrika ny hetsika.