
Nanangana Foibe iraisam-pirenena ho an’ny Loharanon-kevitra manokana amin’ny fiteny maro ny Oniversite. Ny tranomboky dia manana boky taratasy amin’ny fiteny 107, miisa manodidina ny 1.6 tapitrisa. Ankoatra izany, misy boky elektirônika maherin’ny 1.41 tapitrisa, gazety boky 873 karazana, ary angon-drakitra 103. Izay manome endrika tahiry miavaka izay mampiasa ny haiteny, ny literatiora ary ny kolontsaina ho fitaovana fototra. Tao anatin'ny taona vitsivitsy izay, miaraka amin’ny fandrosoan’ny fananganana ireo taranja, dia manomboka miorina tsikelikely ihany koa ny tahiry amin’ny taranja toy ny politika, toe-karena, diplaomasia, lalàna, fampitam-vaovao, fitantanana, ary fikarohana ara-paritra sy momba ny firenena.

Manamafy hatrany ny fananganana ny fanabeazana nomerika ny Oniversite, amin’ny alalan’ny fitsipika momba ny fivoarana hoe “fisokafana, fifandraisana, faharanitan-tsaina, fanavaozana ary fampiraisana”. Nanokatra sehatra rindrambaiko toy ny tranonkala amin’ny fiteny maro, Beiwai nomerika na “Shuzi Beiwai”, foiben’ angon-drakitra, fampianarana amin’ny aterineto, sns. Nanorina ihany koa ny tontolo iainana manan-tsaina ho an’ny fampianarana sy ny sehatra manan-tsaina ho an’ny ny fanavaozana sy ny fampivoarana ny mpampianatra, izany nahatonga vokatra manan-danja maro. Voafantina ho ao anatin’ny andiany voalohany amin’ny asa fandraisan’anjara amin’ny tetikasan’ny Ministeran’ny Fanabeazana hanamafisana ny fampandrosoana mpampianatra amin’ny alalan’ny Ranitsaina artifisialy. Manangana ihany koa ny tranombaboka momba ny fiteny maneran-tany mba hamoronana mari-pamantarana vaovao momba ny teny sy ny kolontsaina, ary namita tranombakoka vaovao momba ny tantaran’ny sekoly mba hanehoana tanteraka ny tantaran'ny BFSU.

Manana velarantany manontolo 23000 metatra toradroa ny tranomboky, misy rihana enina, ary manome seza fipetrahana maherin’ny 2200 ho an’ny mpamaky sy efitra fianarana 18. Misy ihany koa efitrano fanaovana tatitra akademika, efitrano fivoriana, ary efitrano fanofanana. Ankoatra izany, manolotra toerana fialam-boly toy ny efitrano fampirantiana, trano kafe ho an’ny mpampianatra sy ho an’ny mpianatra, ary foibe momba ny fiteny sy kolontsaina mba hianarana ao anaty tontolo iainana mampiditra tanteraka.
Voasarona tambajotra tsy misy tariby (Wi-Fi) manerana ny tranomboky manontolo, ary misy varavarankely fiverenana boky mandeha ho azy 24 ora isan’andro. Manome fitaovana fanompoana amin’ny tenany (self-service) toy ny fanontana, fakana tahaka na kopia, fanasivana antontan-taratasy, fandraisana sy fiverenana boky, fitetezana an-tsary (navigation électronique), ary fidirana amin’ny gazety sy boky elektronika. Misy faritra an-tsarasera amin’ny alalan’ny haino aman-jery maro (multi-média), ary aparitaka manerana ny toerana ny rafitra fampahafantarana vaovao (système d’information).

Manaraka ny fitsipika hoe “manana fomba fijery iraisam-pirenena, manokana, avo lenta, fahaizana lalina” ary manome lanja ny maha-olona ny tranomboky ao amin’ny BFSU. Mifanaraka amin’ny fivoaran’ny toekarena mifototra amin’ny fahalalana sy ny vanim-potoana nomerika izy, dia manana tarihin-kevitra manankarena, tontolo ianarana milamina sy mahafinaritra, fitsipika fanompoana miompana amin’ny olona, ary fitaovana manara-penitra. Ireo rehetra ireo dia manome fanohanana feno amin’ny lafiny fampitam-baovao sy fikarohana. Ankoatra izany, ny tranomboky dia mifantoka amin’ny fanangonana loharano amin’ny fiteny maro, ary mikendry ho ivon-toerana iray amin’ny fifangaroan’ny kolontsaina na eo anivon’ny oniversite na eo amin’ny fifandraisana amin’ny oniversite hafa.