Pejy voalohany > Vaovao

Nitsidika ny Oniversite momba ny fampianarana teny vahiny any Beijing (BFSU) ny filohan'ny Oniversiten'i Keele Kevin Shakesheff

Updated: 2026-04-01


Tamin’ny 17 marsa, nitsidika ny Oniversite momba ny fampianarana teny vahiny any Beijing (BFSU) Atoa Kevin Shakesheff, filohan’ny Oniversiten’i Keele sy Atoa Antonius Raghubansie, filoha lefitry ny Oniversiten’i Keele. Atoa Jia Wenjian, sekretera lefitry ny Komitin’ny Antoko sady filohan’ny BFSU sy Atoa Zhao Gang, mpikambana maharitra ao amin’ny Komitin’ny Antoko sady filoha lefitry ny oniversite no nandray ireo delegasiona avy amin’ny Oniversiten’i Keele. Niresaka momba ny fanitarana ny sehatry ny fiaraha-miasa ny roa tonta, ka anisanny teboka noresahina taminizany ireo fandaharam-pianarana efa misy ao amin’ny BFSU, toy ny diplaomasia amin’ny ambaratonga lisansa (Licence) sy ny teknolojian’ny Ilon-tsaina Artifisialy (IA) amin’ny ambaratonga master.

Taorian’ny fifanakalozan-kevitra dia nitsidika ny Fakiolten’ny Fifandraisana Iraisam-pirenena sy ny diplaomasia, ary ny Fakiolte momba ny fiofanana an-tserasera ao amin’ny BFSU Atoa Shakshev sy ireo delegasiona niaraka taminy, ary nifanakalo tamin’ireo solontenan’ny mpampianatra sy ny mpianatra.