
Tamin’ny 19 novambra lasa teo, dia nanambara ny fanapahan-kevitra momba ny fanendrena sy ny fanesorana ny Sekreteran’ny Antoko Kaominista Sinoa ao amin’ny Oniversite momba ny Fampianarana teny vahiny any Beijing (BFSU) ny Vondrona Mpitarika Antoko Kaominista Sinoa ao amin’ny Minisiteran’ny Fanabeazana ao Sina. Voatendry ho Sekreteran’ny Antoko Kaominista Sinoa ao amin’ny BFSU Atoa Li Hai, izay hisolo ny toeran’Atoa Wang Dinghua. Nanatrika ny fivoriana, ary nanao lahateny Atoa Wang Jiayi, mpikambana ao amin’ny Vondrona Mpitarika Antoko Kaominista Sinoa ao amin’ny Minisiteran’ny Fanabeazana no sady minisitra lefitra. Nanatrika ny fivoriana ihany koa Atoa Ge Yuanjie, tale lefitry ny Biraon’ny Mpiasa ao amin’ny Minisiteran’ny Fanabeazana, sy Atoa Yu Chengwen, sekretera lefitry ny Antoko Kaominista Sinoa ao amin’ny Komity misahana ny Fanabeazana eto Beijing. Ny fivoriana dia notarihin’Atoa Jia Wenjian, sekretera lefitry ny Antoko Kaominista Sinoa ao amin’ny BFSU sady Filohan’ny Oniversite.