Tamin’ny 15 oktobra 2025, nitsidika ny Oniversite momba ny fampianarana teny vahiny any Beijing ny Filoha lefitr’i Bolgaria, Rtoa Iliana Yotova. Nandray an’i Yotova sy ny delegasiona niaraka taminy ny Filohan’ny Oniversite Profesora Jia Wenjian.

Ny Filohan’ny Oniversite Jia Wenjian dia nanazava ireo asa nataon’ny BFSU momba ny fifanakalozana iraisam-pirenena sy ny fampivoarana talenta ary ny zava-bita vao haingana tamin’ny fampandrosoana iraisan’ny taranja maro. Nambarany fa ny BFSU dia manome lanja lehibe ny fampiroboroboana ny sampan-pianarana teny bolgara sy ny fampandrosoana ny taranja, ary manantena fa hanohy hanome fanohanana sy fanampiana ho an’ny BFSU hatrany ny governemantan’i Bolgaria sy ny masoivoho bolgara eto Sina. Ny BFSU dia vonona ny hampiasa ny fahaiza-manaony amin’ny fampianarana teny vahiny mba hampiroboroboana ny fifanakalozana sy ny fifaneraserana eo amin’ireo tanora manam-pahaizana avy amin’ny firenena roa tonta, ary handray anjara amin’ny fanatsarana ny fisakaizana eo amin’ny firenena roa tonta. Ny Filoha lefitr’i Bolgaria Ramatoa Yotova dia nanantitrantitra ny maha-zava-dehibe ny fampivelarana ny maha-olombelona, naneho fanantenana amin’ny hisian’ny fifanakalozana sy ny fifaneraserana bebe kokoa eo amin’ny mpianatra sy ny manam-pahaizana avy amin’ny firenena roa tonta amin’ny hoavy, ary naneho ny fahavononan’ny governemanta bolgara hiara-hiasa amin’ny BFSU hanamafisana ny finamanana eo amin’ny vahoaka roa tonta amin’ny alàlan’ny fiaraha-miasa amin’ny fanabeazana.
Taorian’ny fihaonana dia nanao lahateny ho an’ny mpampianatra sy mpianatra ato amin’ny BFSU Rtoa Yotova ary nanao fifanakalozan-kevitra tamin’izy ireo.
Nandritra ny fitsidihana dia notoloran-dRtoa Yotova ny Order of Saints Cyril and Methodius (First Class) i Ma Xipu, mpikaroka ao amin’ny Ivon-toeram-pikarohana momba an’i Bolgaria ato amin’ny BFSU, mba ho fankasitrahana ny fandraisany anjara miavaka tamin’ny fampiroboroboana ny fampielezana ny tantara sy ny kolontsaina bolgara eto Sina.