Pejy voalohany > Vaovao

Natao tao Hangzhou ny Fikaonandoha faha-5 ho an’ny Filohan’ireo Oniveriste ao anatin’ny Fikambanan’ny Oniversite momba ny Fampianarana teny vahiny manerantany

Updated: 2025-11-03

Tamin’ny 24 oktobra, natao tao Hangzhou ny Fikaonandoha faha-5 ho anny Filohan’ireo Oniveriste ao anatinny Fikambananny Oniversite momba ny Fampianarana teny vahiny manerantany (GAFSU). Fikaonandoha izay nokarakarain’ny Oniversite momba ny Fampianarana teny vahiny eto Beijing (BFSU) sy ny Sekoly momba ny Fampianarana teny vahiny ao Zhejiang (ZISU).


Nanatrika ity fikaonandoha ity Atoa Liu Limin, Filohanny Fikambananny Fifanakalozana Iraisam-pirenena aminny Fanabeazana sinoa sady Minisitra lefitry ny Fanabeazana sinoa teo aloha; Atoa Jia Wenjian, sekretera lefitry ny Komitinny Antoko Kaominista Sinoa any BFSU sady filohanny BFSU, Atoa Zhang Huanzhou, Mpikambana ao aminny Fikambanana GAFSU sady Filohanny ZISU; ary ireo ireo mpitarika avy amin’ireo oniversite mpikambana miisa 24.


Ny lohahevitry ity fikaonandroha ity dia ny hoe “Miatrika ny hoavy, Mampiasa ny Faharanitan-tsaina Nomerika, ary Mandroso miaraka”. Manam-pahaizana mahery 170 avy amin’ny oniversite sy andrim-panjakana mihoatra ny 60 avy amin’ny firenena 27 no nandray anjara taminity fikaonandoha ity. Natao nandritra ny fivoriana ny famoahana tamin’ny fomba ofisialy ny taratasy hoe Hetsika hampiroboroboana miaraka ny fanavaozana ny fampandrosoana ny fampianarana sy fikarohana momba ny fiteny vahiny aminny vanim-potoana nomerika.


Inty ny rohy ho an’ny vaovao amin’ny teny anglisy: https://en.bfsu.edu.cn/2025/10/28/c_187725.htm