Pejy voalohany > Momba ny BFSU > Hakanton’ny oniversite
Student Life

Tranomboky

Ny tahiry ao amin’ny tranomboky dia ahitana boky amin’ny karazam-piteny miisa 107, ao anatin'izany ny teny sinoa, anglisy, frantsay, rosiana, alemà, espaniola, japoney, ary arabo (ao koa ireo fiteny 101 izay ampianarina ato). Manodidina ny 1.6 tapitrisa ny totalin’ny boky, ka mahatratra 1.41 tapitrisa ny boky elektirônika. Misy gazety boky 873 karazana sy gazety elektirônika 38000 ary horonam-peo sy horonantsary mihoatra ny 10000. Misy ihany koa ny angon-drakitra 103 amin’ny teny sinoa sy teny vahiny, ary angon-drakitra manokana 9 novokarin’ny oniversite. Ny tranomboky dia namorona endrika tahiry miavaka izay mampiasa ny haiteny, ny literatiora ary ny kolontsaina ho fitaovana fototra.

Student Life

Hetsiky ny mpianatra

Ny BFSU dia mikarakara hetsika ara-akademika, ara-kolontsaina ary fialamboly isan-karazany ho an'ny mpianatra, mba ahafahan’izy ireo maneho ny talentany.

Student Life

Fiainan’ny mpianatra

Ao amin’ny BFSU, dia misy toerana maro azo isafidianana ahahafahana mianatra sy miala voly, ohatra amin’izany ny tranomboky sy ny toeram-panaovana fanatanjahantena