Pejy voalohany > Momba ny BFSU > Topimaso
>Topimaso
>Teny filamatra sy marika
>Mpitantana ankehitriny
>Zava-misy sy tarehimarika
>Hakanton’ny oniversite
>Fomba hifandraisana

Topimaso


Ny Oniversite momba ny fampianarana teny vahiny eto Beijing na hoe BFSU (Beiwai” amin’ny teny sinoa) dia ao amin’ny faritr’i Haidian, lalana Xisanhuan Beilu ao Beijing no misy azy. Izy dia oniversite eo ambany fiahian’ny Ministeran’ny Fanabeazam-pirenena mivantana, anisan’ireo oniversite voalohany ao anatin’ny tetikasa hoe “211”, sehatra famoronana siantifika hoe “985”, ary anisan’ny andiany voalohany amin’ny fananganana “Oniversite tsara indrindra amin’ny sehatra roa”.

Ny BFSU no oniversite momba ny fampianarana teny vahiny voalohany naorian’ny Antoko Kaominista Sinoa (PCC). Tany aloha ny sekoly dia nantsoina hoe “Vondrona fiteny rosianina tao amin’ny sekoly fahatelo an’ny Oniversite momba ny miaramila sy politika hanoherana ny mpanafika japoney”, izay naorina tao Yan’an tamin’ny taona 1941. Nivoatra izany taty aoriana ary lasa “Sekoly momba ny fampianarana teny vahiny eo ambany fiahian’ny Vaomieran’ny tafika foibeni Sina”, ka teo ambany fitarihan'ny Foiben'ny Antoko ny sekoly. Rehefa nitsangana ny Repoblika Entim-bahoakan’i Sina, dia natolotra ho eo ambany fiahian’ny Ministeran’ny Raharaham-bahiny ny sekoly. Tamin’ny taona 1959 dia natambatra tamin’ny Sekoly momba ny fampianarana rosianina tao Beijing ary natsangana ho “Sekoly momba ny fampianarana teny vahiny eto Beijing”. Nanomboka tamin’ny 1980, dia niverina teo ambany fiahian’ny Ministeran’ny Fanabeazam-pirenena ny BFSU. Ny taona 1994 dia niova tamin’ny fomba ofisialy hoe “Oniversite momba ny fampianarana teny vahiny any Beijing” ny anaran’ny sekoly.

Nahazo fankatoavana hanokatra taranja momba ny fiteny miisa 101 ny BFSU. Ny vondrom-pampianarana teny eoropeanina sy ny vondrom-pampianarana teny aziatika sy afrikanina no toeram-pampianarana “teny vahiny tsy dia fampiasa lehibe indrindra eto Sina amin’izao fotoana izao, ary anisanireo andiany voalohany aminireo toeram-pampianarana nanorina lalam-piofanana miavaka ao aminny minisiteranny Fanabeazam-pirenena. Ny BFSU dia nametraka rafitra fampandrosoana mirindra amin'ny taranja maro, izay ny fampianarana teny sy literatiora amin’ny fiteny maro no tena fototra, miaraka amin’ny taranja hafa toy ny teny aman-tsoratra, lalàna, toekarena, fitantanana ary haifampianarana. Araka ny filaharan’ny fotoana nisokafany, ireto avy ireo fiteny vahiny ampianarin’ny BFSU: ny teny rosianina, anglisy, frantsay, alemàna, espaniola, poloney, tseky, romanianina, japoney, arabo, kambodzianina, laosianina, sinhala, malasianina, soedoà, portogey, hongroà, albaney, bolgara, soahily, birmaney, indoneziana, italiana, kroaty, serba, haosa, vietnamiana, tailandey, tiorka, koreana, slovaka, finlandey, ukraineana, holandey, norvezianina, islandey, danesy, grika, filipiney, hindi, urdu, hebreo, persana, slovenianina, estoniana, letôney, litoanianiana, irezey, maltey, bengali, kazaka, ozbeka, latinina, zoloà, kyrgyzy, paŝto, sanskrita, palia, amaharika, nepale, somali, tamil, turkmena, katalàna, yoroba, mongoliana, armeniana, malagasy, georgiana, azerbajianina, afrikaans, makedoniana, tajika, tswana, ndebele, komorey, kriola, shaona, tigrigna, belarosiana, maori, tonganina, samoana, kurda, bislama, dari, tetum, divehi, fijiana, maori an’ny nosy Cook, rundi, luxembourgish, rwandey, niueana, pidgin, chewa, sesotho, sango, tamazight, javaney, panjabi. Manaraka hatrany ny fanahin’i Yan’an ny BFSU, ary mifikitra amin’ny fanompoana ny tetikasa nasionaly. Amin’izao fotoana izao, ny teny rehetra izay ampianarina ato dia mandrakotra ny fiteny ofisialin’ireo firenena 183 manana fifandraisana ara-diplaomatika amin’i Sina.

Ankehitriny, nampiroborobo fatratra ny fanavaozana ny maodelin’ny fanofanana mpianatra mpanan-talenta” ny oniversite, ka nanangana ny Biraon’ny raharahan’ny boky fampianarana voalohany ao amin’ny oniversite aty sina. Niorina ihany koa ny Sekoly momba ny Fikambanana iraisam-pirenena sy Sekoly momba ny Fanabeazana iraisam-pirenena. Ny Sekolin’ny fianarana aziatika sy afrikanina teo aloha koa dia nitarina ho lasa Sekolin’ny fianarana aziatika sy Sekolin’ny fianarana afrikanina. Natsangana ny Laboratoara manan-danja momba ny Ranitsaina artifisialy (Intelligence artificielle) sy Fitenin’ny olombelona, ary nanamafy ny fahaizana amin’ny fifandraisana iraisam-pirenena. Ankoatra izany, dia nanangana ihany koa ny Ivon-toerana nasionaly momba ny Fahaiza-mandika teny, ary nametraka ny “Fiteny maneran-tany, Kolontsaina maneran-tany, Fitantanana maneran-tany” ho lalam-pandrosoana stratejika, nitarika ny fananganana ny Fikambanan’ny Oniversite momba ny fampianarana teny vahiny mameran-tany, ny Fiaraha-miasa mameran-tany momba ny Fandalinana ara-paritra sy momba ny firenena, ary ny Fiaraha-miasa momba ny Fandalinana ara-paritra sy momba ny firenena eto Sina.

Manana tobim-pikarohana sy ivon-toeram-pikarohana miisa 54 ny oniversite, na amin’ny sehatra nasionaly na faritany. Anisan’izany ny Ivon-toeram-pikarohana fototra momba ny maha-olombelona sy ny siansa sosialy eo ambany fitarihanny Ministeranny Fanabeazam-pirenena: ny Foibem-pikarohana momba ny Fiteny sy ny Fanabeazana any Sina. Ao koa ny Laboratoara momba ny filozofia sy siansa sosialy eo ambany fitarihanny Ministeranny Fanabeazam-pirenena (fiofanana) / Tetikasa Fampiofanana sy Fanorenana Ivon-toeram-pikarohana eo ambany fitarihanny Minisiteran'ny Fanabeazam-pirenena: Laboratoara manan-danja momba ny Ranitsaina artifisialy sy Fiteninny olombelona”. Eo ihany koa ny Tobim-pikarohana nasionaly amin’ny fahaizan-miteny: Foiben’ny Fampandrosoana ny Fahaiza-miteny nasionaly. Manana Tobim-pikarohana amin’ny fananganana boky fampianarana amin’ny teny vahiny ho an’ny ambaratonga voalohany, faharoa, ary oniversite ihany koa izy. Niorina teo ambany fiahian’ny Ministeran’ny Fanabeazana sy ny Sampan-draharaham-panjakana momba ny Fikambanana sy Fifandraisana iraisam-pirenena ary Fandalinana ara-paritra sy momba ny firenena ihany koa ny Ivon-toeram-pikarohana ambony momba ny Fitantanana isam-paritra sy mameran-tany. Misy Tobim-pikarohana ara-paritra sy momba ny firenena eo ambany fitarihanny Ministeranny Fanabeazam-pirenena miisa 4 koa, dia ny: Foiben’ny fikarohana momba an’i Eoropa afovoany sy atsinanana, Foiben’ny fikarohana momba an’i Japana, Foiben’ny fikarohana momba an’i Royaume-Uni, Foiben’ny fikarohana momba an’i Kanada. Misy Ivon-toeram-pikarohana ara-paritra sy momba ny firenena miisa 37 izay voasoratra ara-dalàna ao aminny Ministeranny Fanabeazam-pirenena ihany koa. Ahitana Foiben’ny fikarohana momba ny Fifanakalozana ara-kolontsaina 3: Foiben’ny fikarohana momba ny Fifanakalozana ara-kolontsaina sino-indoneziana, sino-frantsay, sino-alemana ihany koa ny sekoly. Ankoatra izany dia manana tobim-pikarohana momba ny filozofia sy siansa sosialy eo anivon’ny tanànan’i Beijing ihany koa ny sekoly, miaraka amin’ny Tobim-pikarohana momba ny lalànan’ny Fanabeazana ao Beijing, izay voafantina amin’ny andiany voalohany amin’ny Tobim-pampiroboroboana ny fiteny sy soratra nasionaly, sy ao amin’ny Tobim-pikarohana voalohany momba ny Foto-kevitra sosialista amin’ny vanim-potoana vaovao tarihin’i Xi Jinping. Nomena ny anaram-boninahitra ho Ivon-toeram-panavaozana amin’ny fikarohana momba ny foto-kevitra sosialista ao amin’ireo oniversite ao Beijing ny BFSU.

Ny BFSU dia mamoaka gazety akademika CSSCI miisa 5, dia ny: Foreign Language Teaching and Research, Foreign Literature, International Forum, Foreign Language Education in China, International Sinology. Mamoaka ihany koa ny gazety akademika hoe Russian in China izay ao amin’ny sokajy CSSCI miitatra, sy ireo gazety akademika anisan’ny fanangonana loharano CSSCI toy Japanese Studies sy Journal of Language Policy and Language Planning. Mamoaka gazety ara-tsiansa amin’ny teny sinoa hafa miisa 7 ny sekoly. Ankoatra izany, ny oniversite dia mamoaka gazety amin’ny teny anglisy tafiditra ao amin’ny ESCI toy Chinese Journal of Applied Linguistics, ary tafiditra ao amin’ny Scopus toy Journal of World Languages sy Interpreting and Society: An Interdisciplinary Journal, ary koa gazety akademika amin’ny fiteny maro miisa 13. Ny oniversite dia manana trano famoaham-boky antsoina hoe Foreign Language Teaching and Research Press (FLTRP), izay trano famoaham-boky, raki-peo ary vokatra nomerika lehibe indrindra amin’ny sehatry ny fiteny vahiny ao Sina.

Ny BFSU dia manokatra lalam-piofanana lisansa (licence) miisa 122, ka ny 46 aminireo no lalam-piofanana tokana manerana ani Sina, ny 54 aminireo dia tafiditra ao aminny tetikasa nasionaly hoe “taranja laharana voalohany, ary ny 18 dia tafiditra aminny tetikasa mitovy eo aminny sehatra tanànan’i Beijing. Ny Maodely BFSU aminny fanofanana fahafehezana maneran-tany aminny fiteny maro dia nahazo loka voalohany taminny loka nasionaly momba ny zava-bita ara-pampianarana taminny taona 2022.

Aminizao fotoana izao, ny sekoly dia manana taranja manan-danja nasionaly 4 sy taranja manan-danja notendren’ny tanànan’i Beijing miisa 7. Manana alalana hanome diplaoma aminny ambaratonga faha-dokotera (PhD) aminny lalam-piofanana 6 izay voasokajy ho taranja sokajy voalohany (Fiteny vahiny sy literatiora, Siansa sy injeniera momba ny fitantanana, Fianarana ara-faritra sy momba ny firenena, Fiteny sy literatiora sinoa, Fanabeazana, ary Fandikan-teny). Eo aminny sehatry ny mari-pahaizana Master akademika, dia manana lalam-piofanana 12: Fiteny vahiny sy literatiora, Siansa sy injeniera momba ny fitantanana, Fiteny sy literatiora sinoa, Fianarana ara-paritra sy momba ny firenena, Fanabeazana, Politika, Fampitam-baovao, Lalàna, Toekarena ampiharina, Fitantanana ara-barotra, Teôria marksista, ary Tantaranizao tontolo izao. Ho anny mari-pahaizana Master matihanina, dia manana lalam-piofanana 9: Fandikan-teny, Fampianarana teny sinoa iraisam-pirenena, Varotra iraisam-pirenena, Finansa, Fampitam-baovao sy fifandraisana, Lalàna, Kaonty, Fitantanana ara-barotra ary Raharaha iraisam-pirenena. Ny lalam-piofanana hoe “Fiteny vahiny sy literatiora dia tafiditra aminny fananganana taranja ambony indrindra manerana ny firenena (Double First-Class). Ny taranja hoe “Fampianarana fiteny vahiny dia nekena ho taranja ambony indrindra ao aminny oniversite eto Beijing. Taminny fanombanana rehetra izay nataonny Ministeranny Fanabeazana, dia nahazo naoty A+ hatrany ny taranja Fiteny vahiny sy literatiora”, ary izy no laharana voalohany manerana ani Sina. Taminny filaharana iraisam-pirenena nataonny QS 2025, ny BFSU dia nahazo ireto laharana manaraka ireto: ny Haiteny dia laharana faha-18, ny Teny sy literatiora anglisy dia laharana faha-98, ny Teny moderina dia laharana faha-151200, ny Fanabeazana dia laharana faha-251300, izay mitana laharana ambony indrindra aminireo oniversite momba ny fampianarana teny vahiny aty Sina.

Ny BFSU dia mandova ny soatoavina taminny fotoanandronny revolisiona, ary miasa ho anny paikady nasionaly, sy mifikitra amin'ny filôzôfian'ny sekoly momba ny "manam-pahaizana manokana amin'ny fiteny vahiny sy mifehy azy ireo" sy ny fanarahana ny teny filamatra hoe “Fisokafana sy fandeferana, fahalalana sy fampiharana. Izy dia manabe talenta matihanina aminny sehatra maro toa ny diplaomasia, ny fandikan-teny, ny fanabeazana, ny toekarena sy ny varotra, ny fifandraisana ara-pampitam-baovao, ny lalàna ary ny fitantanam-bola. Ireo mpianatra nahazo mari-pahaizana tao BFSU dia miparitaka maneran-tany ary lasa olona manan-kaja. Araka ny antontanisa tsy feno, efa mahery ny 500 aminny mpianatra navoakani BFSU no lasa masoivoho any ivelany, ary mahery ny 3 000 no lasa mpanolotsaina ara-diplaomatika. Ka izany no nanomezana azy ny anaram-boninahitra hoe Fitoeranny Masoivohonny Repoblika. Aminizao fotoana izao, dia manana mpianatra manomana lisansa maherinny 5700 ny sekoly, ary mpianatra manomana master sy dokotera maherinny 4300, ary mpianatra vahiny voasoratra maherinny 1200. Taminny taona 2024, ny sekoly dia nahazo naoty A taminny fanamarinana kalitaonny fanabeazana ho anny mpianatra vahiny eto Sina.

Ny BFSU dia manome lanja manokana aminny fanavaozana ny rafitra fitantanana mpanan-talenta, manatsara ny fahaiza-manaonny mpampianatra sy ny mpiasa. Amin’izao fotoana izao dia manana mampianatra sy mpiasa voasoratra maherinny 1200, ary mpampianatra vahiny manodidina ny 200 avy aminny firenena sy faritra 65 ny BFSU. Ny sekoly dia manana mpampianatra avo lenta, toy ireo izay nahazo Medaly Firaisankina avy aminny Repoblika Entim-bahoakani Sina, mpampianatra malaza manerana ny firenena, sy mpanan-talenta nasionaly manokana. Mihoatra ny 90% aminireo no efa nianatra tany ivelany. Ny ekipa mpampianatra ao aminny Foibem-pikarohana momba ny Fiteny sy Fanabeazana any Sina, sy ny ekipa fanofanana momba ny fitondrana maneran-tany sy fikambanana iraisam-pirenena dia voasafidy ho anisanny Ekipa mpampianatra aminny fomba Huang Da Nian aminireo oniversite manerana ani Sina.

Ny BFSU dia efa nanao fifanarahana fiaraha-miasa aminny oniversite sy ivon-toeram-pikarohana miisa 300 mahery any aminny firenena sy faritra mihoatra 80 maneran-tany. Efa manana fiaraha-miasa ara-tsiansa sy ara-pampianarana aminireo oniversite malaza maneran-tany toa ny any aminny University of Cambridge, ny University of Chicago, ny Nanyang Technological University, ny University of Tokyo, ny Australian National University, ny Sorbonne University, ny Chinese University of Hong Kong, ny University of Malaya, ny Moscow State University, ny University of São Paulo, ny Heidelberg University, ny National Autonomous University of Mexico, ny Autonomous University of Barcelona. Ankoatra izay, dia manana ivon-toeram-pampianarana Confucius miisa 23 aminny firenena 18 any Azia, Eoropa, ary Amerika ny sekoly, izay isa avo indrindra aminireo oniversite aty Sina, ka 7 aminireo dia voasafidy ho “Ivon-toeram-pampianarana Confucius maodely manerantany.

Nanangana Foibe iraisam-pirenena ho an’ny Loharanon-kevitra amin’ny fiteny maro ny Oniversite. Ny tranomboky dia manana boky taratasy amin’ny fiteny 107, manodidina ny 1.6 tapitrisa. Ankoatra izany, manana boky elektirônika maherin’ny 1.41 tapitrisa, gazety 873 karazany, ary angon-drakitra 103. Izay azo lazaina fa mifantoka amin’ny haiteny, literatiora ary kolontsaina ho fitaovana fototra ny fanangonana. Ankehitriny, miaraka amin’ny fampandrosoan’ny fananganana taranja, dia nanomboka niorina tsikelikely ihany koa ny rafitry ny angona amin’ny taranja toy ny politika, toe-karena, diplaomasia, lalàna, fampitam-vaovao, fitantanana, ary fikarohana ara-paritra sy momba ny firenena. Manamafy hatrany ny fananganana ny fanabeazana nomerika ny Oniversite, amin’ny alalan’ny fitsipika momba ny fivoarana hoe “fisokafana, fifandraisana, faharanitan-tsaina, fanavaozana ary fampiraisana”. Nandrafitra sehatra rindrambaiko toy ny tranonkala amin’ny fiteny maro, BFSU nomerika na “Shuzi Beiwai”, foibe angon-drakitra, fampianarana amin’ny aterineto, sns. Nanorina ihany koa ny tontolo iainana manan-tsaina ho an’ny fampianarana sy ny sehatra manan-tsaina ho an’ny fandrosoan’ny mpampianatra, izany nahatonga vokatra manamarika maro. Tafiditra ao anatin’ny andiany voalohany amin’ny asa fandraisan’anjara amin’ny tetikasan’ny Ministeran’ny Fanabeazana hanamafisana ny fampandrosoana mpampianatra amin’ny alalan’ny faharanitan-tsaina ny Oniversite. Ary ankoatra izay dia nanangana ihany koa ny tranombaboka momba ny fiteny maneran-tany sy tranombakoka vaovao momba ny tantaran’ny sekoly.

Aminizao fotoana izao, ny sekoly dia manaraka ny torolalana ara-kevitra momba ny Foto-kevitra sosialista amin’ny vanim-potoana vaovao tarihin’i Xi Jinping, manatanteraka ny fanapahan-kevitra avy aminny Kongresy Nasionaly faha-20 sy ny Fihaonambenny Fanabeazana Nasionaly, manaraka ihany koa izay voalazan’i Xi Jinping tao amin’ny taratasy ho an’ny mpampianatra zokiny tato amin’ny BFSU, ary mampihatra ny paikady napetraky ny Fivorianny Antoko Komonista Sinoa faha-10 tao aminny sekoly sy ny tetikasa mandritra dimy taona faha-14. Ny BFSU dia manohana sy manamafy ny fitarihanny Antoko, mampihatra ny paikadin'ny fanamafisana ny oniversite amin'ny alàlan'ny mpanan-talenta, ny fampivoarana ny oniversite amin'ny alàlan'ny fikarohana akademika, ary ny stratejia fametrahana ny oniversite manerantany. Ny tanjona dia ny hanangana Oniversite momba ny fampianarana teny vahiny manara-penitra maneran-tany, izay iraisam-pirenena, miavaka, avo lenta ary feno. Manatanteraka ny iraka hoe Mampifandray an'izao tontolo izao amin'ny fiteny sinoa sy vahiny, ary manasoa izao tontolo izao amin'ny fampianarana”, ka hanolokolo mpanan-talenta manana fitiavan-tanindrazana, manana vina maneran-tany, ary manana fahaiza-manao matihanina, mba hitondra anjara biriky vaovao sy lehibe kokoa amin'ny fampiroboroboana ny fampandrosoana ani Sina sy ny fifandraisana ary ny fifankazahoana eo amin’ny Sina sy ireo firenena maneran-tany.