Pejy voalohany > Vaovao

Nitsidika ny BFSU ny Masoivohon'i Finlandy Mikko Kinnunen

Updated: 2025-12-22

Tamin’ny 10 desambra, dia nitsidika ny Oniversite momba ny fampianarana teny vahiny any Beijing (BFSU) Atoa Mikko Kinnunen, Masoivohon’i Finlandy miasa sy monina eto Sina. Atoa Jia Wenjian, Filohan’ny Oniversite sady Sekretera lefitry ny Komitin’ny Antoko any BFSU no nandray azy sy ny delegasiona niaraka taminy. Niresaka momba ny fanitarana ny sehatry ny fiaraha-miasa, ny fampiroboroboana ny fifanakalozana eo amin'ny mpampianatra sy ny mpianatra, ary ny fifandraisana akademika ny roa tonta.