Tamin’ny 16 oktobra, dia natao tao amin’ny BFSU ny “Fifanakalozan-kevitra eo amin’ny Oniversite momba ny Fampiharana ny Fifanarahana ho an’ny hoavy” izay nokarakarain’ny Oniversiten’ny Firenena Mikambana, ny Rafitry ny Firenena Mikambana aty Sina, ny Oniversite momba ny Fampianarana teny vahiny eto Beijing (BFSU), ary ny Oniversiten’i Cape Town.

Nanatrika ny lanonam-panokafana ary nanao lahateny ireo vahiny nasaina, anisan’izany Atoa Li Hai, Tale Lefitry ny Biraon’ny Fiaraha-miasa sy Fifanakalozana Iraisam-pirenena ao amin’ny Minisiteran’ny Fanabeazana, Atao Guy Ryder, sekretera jeneraly lefitry ny Raharaha ara-politika ao amin’ny Firenena Mikambana, Atoa Themba Kaula, Talen’ny Biraon’ny Fampiharana ny Fifanarahana ho an’ny hoavy ao amin’ny Sekretarian’ny Firenena Mikambana, Atoa Siddharth Chatterjee, Mpandrindra ny Firenena Mikambana ao Sina, ary Atoa Wang Dinghua, sekreteran’ny Komitin’ny Antoko Kaominista Sinoa an’ny BFSU.
Ny lohahevitra tamin’ity fifanakalozan-kevitra ity dia ny hoe“Fampiharana ny Fifanarahana ho an’ny hoavy sy ny Fanatsarana ny Fitantanana Manerantany”. Nandray anjara tamin’ny Fifanakalozan-kevitra ireo solontena avy amin’ny oniversite manerantany, ireo tompon’andraikitra ao amin’ny Firenena Mikambana, ireo solontenan’ny Minisiteran’ny Fanabeazana, ny Minisiteran’ny Raharaham-bahiny, ary ny Federasionan’ny Tanora sy ireo ministera hafa mifandraika amin’izany. Navoaka tamin’ny fomba ofisialy ny taratasy hoe “Tetik’asa ho an’ny Oniversite mba hanatanterahana ny Fifanarahana ho an’ny hoavy”.
Inty ny rohy ho an’ny vaovao amin’ny teny anglisy: https://en.bfsu.edu.cn/2025/10/22/c_187666.htm