Pejy voalohany > Fampianarana > Fakiolte

Fakiolten’ny fianarana momba an’i afrika


非洲学院(1).jpg

Fakiolten’ny fianarana momba an’i afrika

Tamin'ny Septambra 1961, mba hanamafisana ny fifanakalozana ara-pirahalahiana amin'ireo firenena Aziatika sy Afrikanina, ny Oniversite momba ny fampianarana teny vahiny eto Beijing dia nanangana ny sampana teny Aziatika sy Afrikanina, araka ny baikon'ny Praiminisitra Zhou Enlai. Nanokatra ny lalam-piofanana Swahili sy Hausa ny sampana ary nanatanteraka ny asa fampianarana, fikarohana ary fanofanana mpanan-talenta amin'ny teny afrikanina.

Niorina tamin'ny taona 2019, ny Fakioltenny Fianarana momba ani Afrika dia natokana hampiroboroboana ny fiteny afrikana izay tsy dia fampiasa sy ny fandalinana ara-paritra sy momba firenena. Ankehitriny dia nahazo fankatoavana hanokatra lalam-piofanana ahazoana ny mari-pahaizana licence miisa 20 amin'ny Teny afrikanina, anisan'izany ny Swahili sy Hausa, izay voafantina ho lalam-piofanana nasionaly sokajy voalohany, ary ny Zoloà sy Amaharika, izay voafantina ho lalam-piofanana sokajy voalohany eto Beijing.

Ny fakiolte dia manana Sampana Fampianarana sy Fikarohana momba ny faritri Afrika ary Ivon-toeram-pikarohana momba ani Afrika, izay mikarakara ny gazety akademika African Languages and Cultures Studies (amin'ny teny sinoa sy anglisy) sy ny Fikaonandoha Iraisam-pirenena momba ny Teny sy Kolontsaina Afrikana, izay manome sehatra fifanakalozana sy fifanakalozan-kevitra ho anireo manam-pahaizana nasionaly sy iraisam-pirenena. Ny fakiolte dia nanangana fifandraisana fifanakalozana sy fiaraha-miasa amin'ny oniversite afrikanina mihoatra ny 20, ary koa amin'ny Sekolin'ny Fianarana Tatsinanana sy Afrikanina ao aminny Oniversiten'i Londres, ary ny Sekoly Nasionalin'ny Fiteny sy Sivilizasiona Tatsinanana ao Frantsa.

Ny fakiolte dia manofana mpanan-talenta aminny Fiteny roa, Fahaiza-manao roa, ary ny fampianarana ny mirakitra ny ambaratonga Licence, Master ary Doctorat. Ny fakiolte dia mampihatra ny foto-kevitra fanofanana telo ho iray momba ny fahaiza-miteny, ny fahalalana isam-paritra, ary ny fironana akademika, mitaky ny mpianatra hanamafy ny fahaizana ny teny, hifehy ny fahalalana ara-paritra, ary hanitatra ny fomba fijeriny iraisam-pirenena, mba hanana fahaiza-manao fototra amin'ny fanaovana fikarohana sy asa akademika.

Amin'izao fotoana izao, dia manana ekipa mpampianatra tanora sy matanjaka ny fakiolte, izay ahitana mpampianatra sinoa 16, ka ny 2 aminizy ireo dia profesora, ny 3 profesora mpanampy, ary ny 8 dokotera. Mbola misy mpampianatra vahiny 6 ihany koa ny fakiolte.

Ny fakiolte dia nampiofana mpanan-talenta matihanina amin'ny fiteny vahiny tsy dia fampiasa, izay manana fahaiza-manao manokana, fahalalana malalaka ary toetra tsara aminny lafiny rehetra. Ahitana azy ireo eny amin'ny ministera, ny orinasam-panjakana, ny haino aman-jery ary ny oniversite, izay manana anjara toerana lehibe amin'ny fampiroboroboana ny fifanakalozana ar-pirahalahiana eo amin'i Sina sy ny firenena Afrikanina.

Laharana hifandraisana: 010-88818512

Mailaka: bwfzxy@bfsu.edu.cn


Ny teny malagasy sy ny teny frantsay no teny ofisialin’ny Repoblikan’i Madagasikara, ary ampiasain’olona maherin’ny 27 tapitrisa. Ny teny malagasy dia anisan’ny fianakaviamben’ny teny Malayo-Polyneziana ao amin’ny fianakaviamben’ny teny Austroneziana.

Tamin’ny taona 2015 no nahazo fankatoavana ampianatra teny malagasy ny Oniversite fianarana teny vahiny eto Beijing. Ary tamin’ny taona 2021 kosa no nandray ireo mpianatra hanaraka fiofana hahazoana ny mari-pahaizana “licence”, izay toeram-pianarana tokana manome izany mari-pahaizana izany manerana ny Sina.

Amin’izao fotoana izao dia misy mpampianatra Sinoa 3 sy mpampianatra Malagasy 1 ato amin’ny sampana, izay samy manana ny fahaiza-manaony sy ny andraikiny.

Handray mpianatra hanaraka fiofana hahazoana ny mari-pahaizana “licence” Teny Malagasy (sy Frantsay) ny taona 2025, ary hampihatra ny modely fanofanana amin’ny fiteny roa ny “malagasy + frantsay”.

Ny taona voalohany sy faharoa dia ampianarana ireo taranja fomba famaky, fomba fiteny, fomba fihaino, sns, ary ny taona fahatelo sy fahefatra dia ampianarana ireo taranja mifototra amin’ny fahaiza-manao toy ny fandikana am-bava sy an-tsoratra, ny fomba fanoratana, sy ireo taranja mifototra amin’ny fahalalana toy ny literatiora sy kolontsaina. Sady manatsara ny fahaizan’ny mpianatra amin’ny fampiharana ny fiteny, no manamafy ny fahalalan’ny mpianatra ny momba ny Madagasikara sy ny kolontsainy ihany koa.

Ny enim-bolana faharoa amin'ny L1 dia manomboka mianatra teny frantsay ireo mpianatra, ary manolotra tsikelikely ny fampianarana amin'ny fiteny roa (malagasy+frantsay) mba hanampiana ny mpianatra hahafehy ny teny malagasy ary koa mba hananan’izy ireo fahaizana mampihatra ny teny frantsay.

Amin’izao fotoana izao, miara-miasa amin’ny oniversiten’Antananarivo ny sekolinay, ary rehefa taona fahatelo dia manana fahafahana hianatra any Madagasikara mandritra ny 6-12 volana ireo mpianatra.

Ity lalam-piofanana ity dia mamaly ny filan’ny fampiharana ny teny any Madagasikara ary ny paikadin’ny fampandrosoana ny firenena. Afaka mahita asa amin’ny sehatra maro ireo hahazo diplaoma.