Pejy voalohany > Vaovao

Nitsidika ny Oniversite momba ny fampianarana teny vahiny any Beijing (BFSU) ny masoivohon'i Kambodza any Sina, Rtoa Soeung Rathchavy

Updated: 2026-04-01

Tamin’ny 27 marsa, nitsidika ny Oniversite momba ny fampianarana teny vahiny any Beijing (BFSU) Rtoa Soeung Rathchavymasoivohon’i Kambodza any Sinaary nanolotra boky ho an’ny oniversite amin’ny anaran’ny Mpanjakavavy Kambodziana Norodom Monineath Sihanouk. Atoa Jia Wenjian, sekretera lefitry ny Komitin’ny Antoko sady filohan’ny BFSU no nandray azy sy ny delegasiona niaraka taminy. Niresaka momba ny fampiroboroboana ny fampiofanana ireo mpanan-talenta avo lenta sy ny fampiharana ny fiaraha-miasa akademika sy ara-kolontsaina ny roa tonta.

Taorian’ny fifanakalozan-kevitra, nanolotra boky ho an’ny BFSU Rtoa Soeung Rathchavy. Nisolo tena ny BFSU nandray izany fanomezana izany Atoa Jia Wenjian ary nanolotra mari-pankasitrahana. Taorian’izay, nanatrika ny fampisehoana an-kira nataon’ireo mpianatra avy amin’ny sampam-pianarana teny Kambodziana ao amin’ny BFSU Rtoa Masoivoho sy ny delegasiona niaraka taminy, ary nitafatafa tamim-pirahalahiana tamin’ireo mpampianatra sy mpianatra.