
Tamin'ny 6 martsa, mba ho fahatsiarovana ny Andro Iraisam-pirenena ho an'ny Vehivavy dia nisy lanonana ho an'ny vehivavy teratrany Sinoa sy teratany Vahiny natao tao Beijing. Nanao lahateny Rtoa Chen Yiqin, Mpanolotsainan’ny Fanjakana sady Filohan’ny Federasionan’ny Vehivavy manerana an'i Sina. Nanatrika ny lanonana ireo tompon'andraikitra avy amin'ny sampana mifandraika amin'izany ao amin’ny Komity Foibe sy ireo sampan-draharaham-panjakana, ireo solombavambahoaka vehivavy sasany sy mpikambana ao amin’ny Kongresin'ny Vahoaka Nasionaly sy ny Fihaonambe Fakan-kevitra Ara-politika ho an’ny Vahoaka Sinoa sasany. Tao koa ireo solontenan'ny vehivavy miavaka avy amin'ny sehatra misy azy avy sy ny foko isan-karazany, ireo solontenan’ny vehivavy avy any Hong Kong sy Macao, ireo iraka diplaomatika sasany any Sina, ary ireo solontenan'ny fikambanana iraisam-pirenena any Sina. Vahiny sinoa sy vahiny maherin'ny arivo no nantrika ny lanonana. Nahazo fanasana nanatrika izany lanonana izany ireo mpampianatra vahiny iraika ambin'ny folo avy amin’ny Oniversite momba ny fampianarana teny vahiny any Beijing (BFSU).