
Ny 24 Desambra lasa teo, dia nitsidika ny Oniversite momba ny fampianarana teny vahiny eto Beijing (BFSU) Atoa Aníbal Cabral, Masoivohon’i Orogoay miasa sy monina eto Sina. Atoa Jia Wenjian, Sekretera lefitry ny Komitin’ny Antoko sady filohan’ny Oniversite sy Atoa Zhao Gang, Mpikambana maharitra ao amin'ny Komitin'ny Antoko sady Filoha lefitry Oniversite no nandray azy sy ny delegasiona niaraka taminy.
Nampahafantatra ny toe-draharaha ankapobeny ato amin’ny BFSU Atoa Jia Wenjian, anisan’izany ny amin'ny fampandrosoana akademika, fifanakalozana iraisam-pirenena, ny momba ny sampana teny Espaniola, ary ny fikarohana momba an’i Amerika Latina. Notsiahiviny ihany koa ny fifanakalozana sy fifandraisana am-pahatsorana teo amin'ny BFSU sy ireo mpitondra ary mpiara-miasa Orogoayana. Nilaza izy fa manome lanja lehibe ny fifanakalozana amin'i Orogoay sy ireo firenena Amerika Latina hafa ny BFSU ary manantena ny hampitombo ny fifankahazoana sy ny fisakaizana eo amin'ny firenena roa tonta amin'ny alàlan'ny fiaraha-miasa eo amin'ny lafiny fanabeazana sy ny fifanakalozan-kevitry ny tanora.
Naneho ny hafaliany noho izao fitsidihana indray ny BFSU izao Atoa Cabral. Nankasitraka tamim-pahatsorana ny anjara asan'ny oniversite amin'ny fampiofanana ny talenta iraisam-pirenena sy ny fampiroboroboana ny fifanakalozana ara-kolontsaina izy. Manantena izy fa hihanamafy hatrany ny fiaraha-miasa sy ny fifanakalozana eo amin'ny roa tonta amin'ny ho avy, hanatanteraka fifanakalozana tanora sy hetsika akademika bebe kokoa, hampitombo ny fifandraisana ara-panabeazana sy ara-kolontsaina eo amin'ny firenena roa tonta, ary hampiditra hery vaovao eo amin'ny fifandraisan’ny roa tonta.