Pejy voalohany > Vaovao

Nanao lanonana fandraisana ireo mpianatra vaovao amin’ity taona 2025 ity ny Oniversite momba ny fampianarana teny vahiny any Beijing

Updated: 2025-09-17

Tamin’ny 1 septambra 2025, ny Oniversite momba ny fampianarana teny vahiny any Beijing (BFSU) dia nanao ny lanonana fandraisana ireo mpianatra vaovao amin’ity taona 2025 ity. Mpianatra vaovao miisa 3 917 no nanatevin-daharana ny BFSU. Anisan’izany ireo mpianatra sinoa sy ireo mpianatra vahiny avy amin’ny firenena 90 maneran-tany.

Nanatrika ny lanonana ny mpitantan’ny Oniversite, anisan’ny Profesora Wang Dinghua, sekreteran’ny Komitin’ny Antoko Kaominista Sinoa any BFSU, ny Profesora Jia Wenjian, sekretera lefitry ny Komitin’ny Antoko sady filohan’ny Oniversite, ny Profesora Jia Dezhong sy Su Dapeng, samy sekretera lefitry ny Komitin’ny Antoko, ny Profesora Zhao Gang sy Ding Hao, samy mpikambana maharitra ao amin’ny Komitin’ny Antoko sy filoha lefitry ny Oniversite. Nanatrika izany lanonana izany ihany koa Andriamatoa Paata Kalandadze, masoivohon’i Georgia monina sy miasa eto Sina, ary i Wang Yuhao, mpianatra nivoaka tao amin’ny Fakiolen’ny raharaha iraisam-pirenena any BFSU sady mpanorina ny sehatra fitsangatsanganana an-tsitrapo antsoina hoe “Chuzou Shijie”.

Profesora Jia Wenjian dia niarahaba am-pitiavana ireo mpianatra vaovao amin’ity taona 2025 ity ary naneho ny fanantenany sy teny firarian-tsoa ho azy ireo.

Nifandimby nanao lahateny Andriamatoa masoivoho Paata Kalandadze, ny solontenan’ny mpianatra taloha, ny solontenan’ny mpampianatra ary ny solontenan’ny mpianatra vahiny.

Nanolotra ny mari-pamantaran’ny Oniversite sy ny karatra ho an’ireo solontenan’ny mpianatra vaovao ny Profesora Wang Dinghua.

Taorian’izay dia nanolotra voninkazo ho an’ireo solontenan’ny mpampianatra nanatrika ny solontenan’ireo mpianatra vaovao. Avy eo dia nanao ny fianianana ny mpianatra vaovao rehetra. Ary nofaranana tamin’ny alalan’ny fihirana nanakoako ny hiran-tsekoly ny lanonana fandraisana ireo mpianatra vaovao.